Acts 16

1Tonga tany Derbe sy Lystra ihany koa Paoly, ary indro, teo ilay mpianatra iray antsoina hoe Timoty, zanaka lahin’ny vehivavy Jiosy izay nino; Grika ny rainy. 2Izy dia tsara laza tamin’ireo rahalahiny izay tany Lystra ary Ikonioma. 3Tian’ i Paoly hiara-dia aminy izy; dia nalainy izy ary noforany noho ireo Jiosy izay teo amin’ireo toerana ireo, satria fantatr’izy rehetra fa Grika ny rainy.

4Raha nandeha namakivaky ireo tanàna maro izy ireo, dia nanolotra toromarika ho an’ireo mpino mba hankato ny fampianarana, izay nosoratan’ny Apostoly sy ny loholona tao Jerosalema. 5Ka niha-natanjaka tamin’ny finoana ny fiangonana ary nitombo isa isan’andro.

6Nandeha namakivaky ny faritry ny Frygia sy Galatia Paoly sy ny namany, satria noraran’ ny Fanahy Masina izy ireo hanambara ny teny any amin’ny faritr’i Asia. 7Rehefa niditra nanakaiky an’ i Mysia, dia te-handeha ho any Bitynia izy ireo, nefa nosakanan’ ny Fanahin’i Jesosy izy ireo. 8Ka nandalo tamin’i Mysia, dia nandeha nidina tany amin’ny tanàna an’i Troasy izy ireo.

9Nahita fahitana i Paoly tamin’ny alina: lehilahy iray Makedoniana nitsangana teo, niantso azy ary niteny hoe: “Avia aty Makedonia ary vonjeo izahay.” 10Rehefa avy nahita ny fahitana i Paoly, dia niainga hihazo an’ i Makedonia avy hatrany izahay, nahatsapa fa Andriamanitra no niantso anay mba hitory ny filazantsara amin’ izy ireo.

11Niantsambo noho izany avy any Troasy, dia nizotra mahitsy ho any Samatrakia izahay, ary nihazo an’i Neapolia izahay ny andro manaraka. 12Avy teo dia nandeha nankany Filipy izahay, izay isan’ny tanàna Makedonia, izay tanàna manan-danja indrindra ao amin’ny faritra sy ny zana-tany Romanina, ary nijanona tao amin’izany tanàna izany nandritry ny andro maro izahay. 13Tamin’ny andron’ny Sabata dia nandeha tany ivelan’ny vavahady akaikin’ny renirano izahay, izay noeritreretinay fa misy toeram-pivavahana. Nipetraka izahay ary niresaka tamin’ireo vehivavy izay niara-tonga teo.

14Nisy vehivavy iray atao hoe Lydia, mpivaro-damba volomparasy avy any amin’ny tanànan’ i Tyatira, izay nanompo an’Andriamanitra, nihaino anay. Nanokatra ny fony ny Tompo hitandrina ny teny izay nolazain’ i Paoly. 15Rehefa vita batisa izy sy ny ankohonany, dia namporisika anay izy, niteny hoe: “Raha nitsara ahy ho mahatoky amin’ny Tompo ianareo, dia midira ary mitoera ao an-trano.” Ary nandresy lahatra anay izy.

16Ary tamin’izany, raha nandeha nankany amin’ ny toeram-pivavahana izahay, dia nisy zatovovavy iray izay manana fanahin’ny sikidy nifanena taminay. Nitondra tombony maro ho an’ny tompony tamin’ny alalan’ny sikidy izy. 17Nanaraka anay sy Paoly avy ao aoriana io vehivavy io ary niantso mafy, nanao hoe: “Ireo lehilahy ireo dia mpanompon’ Andriamanitra Avo Indrindra. Manambara aminareo ny lalam-pamonjena izy ireo.” 18Nanao izany nandritry ny andro maro izy. Fa i Paoly dia nanomboka sosotra taminy ka nitodika ary niteny tamin’ ny fanahy hoe: “Mandidy anao amin’ ny anaran’i Jesosy Kristy aho mba hivoaka ao aminy.” Ary nivoaka avy hatrany izany.

19Rehefa hitan’ireo tompony fa lasa ilay fanantenana ny amin’ny tombony ho azy ireo, dia nosamborin’ izy ireo i Paoly sy Silasy ary notaritiny izy ireo ho any an-tsena teo anoloan’ireo manam-pahefana. 20Rehefa nitondra azy ireo teo anoloan’ireo mpitsara izy ireo, dia niteny hoe: “Manakorontana ny tanànantsika ireto lehilahy ireto. Jiosy izy ireo. 21Manambara fomba izay tsy ara-dalàna ho an’ny Romanina ny manaiky na mampihatra azy izy ireo.”

22Dia nitsangana ny vahoaka nanohitra an’ i Paoly sy Silasy; nanala ny lamban’izy ireo ny mpitsara ary nandidy azy ireo mba ho kapohina amin’ny hazo. 23Rehefa nokapohin’ireo mafy izy ireo, dia nalefan’izy ireo any an-tranomaizina ary nandidy ny mpiandry tranomaizina mba hiambina mafy azy ireo. 24Rehefa naharay izany didy izany ny mpiambina, dia nalefany tany amin’ny farany lalina indrindra amin’ny fonja izy ireo ary nofatorany teo amin’ny hazo ny tongotr’izy ireo.

25Nanodidina ny misasak’alina dia nivavaka i Paoly sy Silasy ary nihira fiderana an’Andriamanitra, ary ireo gadra hafa dia nihaino azy ireo. 26Tampoka teo dia nisy horohorontany lehibe, ka nampihozongozona ny fototry ny fonja; ary nisokatra avy hatrany ny varavarana rehetra, ary nivaha ny fatoran’ny olona rehetra.

27Taitra tamin’ny torimaso ny mpiandry ny tranomaizina ary nahita ireo varavaran’ny fonja nivoha; namoaka ny sabany izy ka saika hamono ny tenany, satria noeritreretiny fa nandositra ireo gadra. 28Fa niantso tamin’ny feo mafy Paoly, nanao hoe: “Aza mandratra ny tenanao, satria ato daholo izahay rehetra.”

29Nampiantso Jiro ilay mpiandry tranomaizina ary niditra haingana tao anatiny, tora-kovitra noho ny tahotra, nihohoka teo anoloan’i Paoly sy Silasy, 30ary nitondra azy ireo nivoaka sy niteny hoe: “Tompoko, inona no tsy maintsy hataoko mba ho voavonjy?” 31Hoy izy ireo hoe: “Minoa an’i Tompo Jesosy, dia ho voavonjy ianao, ianao sy ny ankohonanao.”

32Nitory ny tenin’ny Tompo taminy izy ireo, niaraka tamin’ny olona rehetra tao an-tranony. 33Avy eo dia nandray azy ireo tamin’ny alina tamin’iny ora iny ihany ilay mpiandry fonja, ary nanasa ny ferin’izy ireo, ary izy sy ireo rehetra tao amin’ny tranony iray manontolo dia natao batisa teo no ho eo. 34Avy eo dia nentiny niakatra tao an-tranony i Paoly sy Silasy ary nandroso sakafo teo anoloan’izy ireo izy, dia nifaly tokoa izy niaraka tamin’ireo izay tao an-tranony, fa efa nino an’Andriamanitra izy.

35Ary rehefa maraina ny andro, dia nandefa teny tamin’ireo mpiambina ireo mpitsara, niteny hoe: “Avelao handeha ireo lehilahy ireo.” 36Nitatitra izany teny izany tamin’i Paoly ilay mpiambina, niteny hoe: “Nampitondra teny tamiko ireo mpitsara mba hamela anareo handeha: noho izany ankehitriny mivoaha, ary mandehana am-piadanana.”

37Fa niteny tamin’ izy ireo Paoly hoe: “Nikapoka anay ampahibemaso tsy nisy fitsarana izy ireo, na dia mizàka ny zom-pirenena Romanina aza izahay_ ary nalefan’izy ireo tao am-pigadrana. Ankehitriny dia tian’izy ireo ho alefa an-tsokotsoko ve izahay? Tsia! Aoka ny tenan’izy ireo no ho tonga eto sy hitarika anay hivoaka.” 38Nitatitra izany teny izany tamin’ny mpitsara ny mpiambina, ary raha vao nandre izy ireo fa romanina i Paoly sy Silasy, dia natahotra izy ireo. 39Tonga sy nialatsiny tamin’izy ireo ny mpitsara ary nitondra azy ireo nivoaka, nangataka azy ireo mba hiala ao an-tanàna.

Ka niala tao an-tranomaizina i Paoly sy Silasy ary nankao an-tranon’i Lydia. Rehefa nahita ireo rahalahy i Paoly sy Silasy, dia nampahery azy ireo ary avy eo dia niala tao an-tanàna izy ireo.

40

Copyright information for PltULB